Niaiky ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana fa avy eo anivon’izy ireo no nanatonga ny fahadisoana nisiana laharana karapanondro mitovy tanaty lisi-pifidianana. Volana maro no nanomanana ny fifidianana ary vola aman-tapitrisa dolara no nomena teo am-pelatanan’ny CENI hikarakarana ireo fifidianana nisesy, nisy ihany anefa ny tsy fahatomombanana.
Tsy misy fiantraikany amin’ny voka-pifidianana izay natao no sady tsy nampitombo na nampiena ny isan’ny olona anaty lisi-pifidianana ny fisian’ireo olona roa na telo samihafa manana laharana karapanondro mitovy, hoy ny filoha lefitry ny CENI Thierry Rakotonarivo, ny 02 martsa. Tsy mitombona noho izany ny fivoizana fa kajikajy natao mialoha ny fifidianana ny fisiana laharana karapanondro mitovy satria lisi-pifidianana efa nikatona ny 15 mai 2018 no nampiasana ary fahadisoana avy amin’ny CENI no nahatonga ny olana.
Raha araka ny nambaran’i Thierry Rakotonarivo, Filoha lefitry ny CENI, tsy voalohany teo amin’ny tantaran’ny fifidianan teto amin;ny firenena rahateo ny toa ireny. Ary Tsy midika velively fa tsy ara-dalana ny fifidianana sy ny zotram-pifidianana
Marihina fa efa natolotra ny ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ny lisitr’ireo olona manana laharana karapanondro mitovy ireo ahafahan’ny eo anivon’ny ministera mandray ny andraikiny. Efa naverina eny amin’ny fokontany ihany koa ireo lisitra ireo mba ahafan’ny rehetra mandray ny andraikitra manandrify azy, eny fa hatramin’ireo olom-pirenena voakasik’izany aza.
Rado RAMANANJATOVO