Efa nahitana fivoarana ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara raha ny tsikaritr'ireo mpanara-baovao, raha niainga tamin’ny zava-nitranga teny amin'ny Antenimieram-pirenena ny talata teo.
Feno ny fepetra hirosoana mankany amin'ny fampandrosoana raha ny hita afakomaly teny amin'ny Antenimieram-pirenena. Hita taratra teny amin'ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity mantsy, fa manana Solombavambahoaka maro an'isa tsy hita velively ny fitondram-panjakana amin'izao fotoana izao. Noho izany, mahavelom-panantenana ihany ny mahita ity andrim-panjakana ity satria, tsy nisy ary tsy hita taratra eo anivon’ity andrimpanjakana ity ny fanoherana bontolo ataon’ireo mpanohitra raha ny tsikaritra. Raha tsiahivina ny zava-nitranga ny talata teo, kandidà tokana no nirotsaka ho filohan’ny Antenimieram-pirenena ary lany zato isan-jato izany.
 
Raha ny zavatra toy ireny afakomaly ireny no mitohy, azo lazaina fa efa ahitana fivoarana ary efa miha matotra ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara. Tsy tsikaritra ny halako bika tsy tiako tarehy fa niezaka ny nahatsapa tena ireo Solombavambahoaka fa ny tombotsoan’ny vahoaka Malagasy maro an’isa izay naniraka azy ireo no ho jerena.
Amin'ny lafiny iray anefa, azo lazaina ihany koa fa halemy ny fanoherana eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Tsy nanolotra kandidà ireo milaza fa antoko mpanohitra, mety vokatry ny tsy fahatokisan-tena raha ny tsikaritr’ireo mpanara-baovao maro.
 
Azo antenaina noho izany fa tsy hisy intsony ny sakana ny amin'ny hirosoan’i Madagasika mankany amin’ny fampandrosoana tena izy. Manoloana izany rehetra izany; fanontaniana mipetraka ilam-baliny ankehitriny ny hoe: hanao ahoana ny fomba fiasan'ireto solombavambahoaka vaovao vao nandray ny asany afakomaly ireto? Mety hisy azo handrandraina ihany ve? Sa vola kakafotra ka ny omaly tsy miova ihany?
 
Setra RANDRIANASY