Taorian'iny lanonana fanolorana fitaovana ho an'ny BFP iny, dia nihazo ny Centre d'écoute et de conseil juridique ny vadin'ny Filoham-pirenena sy ireo mpiara-dia aminy tao Toliara. Nisy fijoroana vavolombelona nataon'ireo vehivavy niharan'ny herisetra sy ny fandraisana an-tanana nataon'ny CECJ azy ireo.
Tamin'izao fandalovany teto amin’ny CECJ izao, nampatsiahy Ramatoa Mialy RAJOELINA fa olona manana traikefa no mandray ety amin’itony ivontoerana itony ary mijanona ho tsiambaratelo ny fitarainana tonga eto rehetra.
Nambaran'ny Solontena maharitry ny UNFPA tamin'ny fomba ofisialy omaly ihany koa fa misy vola 60 tapitrisa ariary avy @ antso tolotanana nataon'ny tanora indiana iray ka hatokana hanampiana ny CECJ sy tranoben'ny tanora eto Toliara izany vola izany.
Ankoatra izay, isan'ny nanampy ny CECJ teto Toliara ihany koa ny Ministra lefitra norvegiana misahana ny raharaham-bahiny. Taorian'ny fitsidihana ara-pomba ofisialy nataon-dRamatoa Mialy RAJOELINA tany Oslo Norvège dia tonga teto Toliara ity Ministra lefitra norvegiana ity ary nanome fanampiana ara-bola ho an'ny Fikambanana Fitia sy ny UNFPA entina hanohanana ny CECJ eto an-toerana.