Hatsaraina ny tranoben'ny tanora, homena sehatra ny fanatanjahantena, hamafisina ny fampiofanana. Isan'ny voaresaka ireo nandritra ny fitsidihan'ny vadin'ny Filoham-pirenena ny tranoben'ny tanora tao Toliara ny asabotsy teo. Io toerana io izay nahazo fampitaovana avy @ Fikambanana Fitia tamin'ny taona 2012 ary mbola voakajokaja fito taona aty aoriana.
Nitafa mivantana tamin’ny Ramatoa Mialy RAJOELINA ireto tanoran'i Toliara ireto nilaza ny hetahetany. Isan'ny fangatahan'izy ireo ny hanomezana connexion haingam-pandeha, panneaux solaires. Fa teo ihany koa ny fahafahana mahazo mpampiofana matihanina hampianatra ny fampiasana ireo fitaovana toy ny fanaovam-bolo sy fanjairana. Manoloana izany, nilaza Ramatoa Mialy Rajoelina fa hovaliana ireo fangatahana ireo ary fanampin'izany havaozina ho moderina ny tranoben'ny tanora, omena vahana ny fanatanjahantena ary hamafisina ny fampiofonana arak'asa.
Amin'ny alalan'ireo vola avy amin'ireo vahiny indiana sy norvegiana no ahafahana manatanteraka ireo tetikasa ireo. Naneho fankasitahana manoloana izany ireto tanora ireto.
 
Miarivola TSIFERANA