Nosokafana tamin'ity androany ity ny fankalazana ny faha 60 taonan'ny antenimieran-doholona. Fanompom-pivavahana tao amin'ny Ekar Saint Joseph Mahamasina no nisantarana izany fankalazana izany.
Hisy ny fampiratiana mandritra ity herinandro ity, eo amin'ny tokotanin'ny antenimieran-doholona izay misokatra ho an'ny rehetra. Hitohy hatramin'ny sabotsy izany fankalazana ny faha 60 taonan'ny antenimieran-doholona izany.