Voafidy ho filohan’ny Antenimieram-pirenena i ramatoa Christine RAZANAMAHASOA ny talata teo nandritra ny fivorian’ireo solombavambahoaka teny amin’ny Antenimieram-pirenena. Lany zato isan-jato tsy nisy nitsipaka ny tenany nandritra izany.
147 tamin’ireo Solombavambahoaka 147 tonga nivory afakomaly no nandany an’i Christine RAZANAMAHASOA indray ho filoha hitantana ny Antenimieram-pirenena. Nanohana azy nandritra izany ny IRD sy tsy miankina ary ny antoko TIM. Nandritra ny lahateneniny no nanamafisan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena fa tsy maintsy hampanjakaina ao anatin’ity lapan’ny demokrasia ity ny fifampihenoina eo amin’ireo samy solombavambahoaka.
Ny filohan’nyAntenimieram-pirenena vaovao, izay efa minisitry ny fitsarana nandritra ny fitondrana tetezamita ary efa voafidy hitarika ity Andrim-panjakana ity ny volana Aprily 2014. Taorian’izay, efa minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ihany koa ny tenany taorian’ny tolonana taon’ireo Solombavambahoaka tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mai ny taona 2018. Ary izao lasa filohan’ny Antenimieram-pirenena izao indray.
 
Setra RANDRIANASY 
Anjara RAJAONARIVELO