Efa nampihatra ny pôlitika-pitsitsiana ny fitondrana hisorohana ny fandaniam-poana ny volam-bahoaka araka ny baikon’ny filohan’ny repoblika Andry RAJOELINA. Efa hita soritra izany teny anivon’ireo ministera sy ireo sampandraharaham-panjakana.
Sary efa fahita sy feo efa heno nanakoako hatramin’izay teny anivon’ny antenimieram-pirenena ny ady varotra amin’ireo karama sy tombotsoa ho an’ireo solombavambahoaka. Ny resaka karama, fiara tsy mataho-dalana, ny tambi-karama, ny solika ampiasaina amin’ny fiara ary ny fahana ampiasaina amin’ny finday sy ny maro hafa, volam-bahoaka no nanatanterahana ireny rehetra ireny. Nisy tamin’ireo solombavambahoaka nifandimby tany aloha anefa no zara raha niasa ho an’ny vahoaka nifidy azy ary nisy mihitsy aza ireo nanao tsidi-pahitra fotsiny ihany ny toerana nahavoafidy azy nandritra ny taom-piasany. Ny hoe fanomezana fiara tsy mataho-dalana ho an’ireo solombavambahoaka, inona ny mason-tsivana ahazoana izany sa ny rehetra no hahazo ary ohatrinona ny fandaniam-bola ?
 
Ny fanjakana foibe anefa araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika ary efa mihatra any amin’ireo ministera sy andrim-panjakana hafa, fa manao ny pôlitika-pitsitsiana. Misy ny atao hoe laharam-pahamehana eo amin’ny fampandrosoana, misy ny haitraitra ilaina amin’ny maha-olona. Ny fampandrosoana anefa no tanjona, ilaina ny vola ho enti-manana amin’izany. Ny rehetra mihitsy no tokony hampihatra ny pôlitika-pitsitsiana mba ahatongavantsika eo amin’ny tena fampandrosoana marina.
 
Jean Claude ANDRIAMALALA
Miarivola TSIFERANA