Tontosa omaly ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena teo aloha, Jean Max RAKOTOMAMONJY, sy ny filohan’ny antenimieram-pienena vaovao Christine RAZANAMAHASOA.
Nambaran’ny filohan’ny antenimieram-pirenena vaovao fa atao anaty mangarahara tanteraka ny fitantanana ity andrim-panjakana ity na eo amin’ny fitantanana ara-bola izany na ny fitantanana ara-pitaovana. Niantso ireo solombavambahoaka ihany koa izy hanatanteraka ny andraikitra nankinin’ny vahoaka tamin’izy ireo. Notsipihin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena hatrany fa ny famerenena ny hasin’ny antenimieram-pirenena no tokony ho ataon’ireo solombavambahoaka laharam-pahamehana.