Napetraka sy nampahafantarina ireo minisitra vao nandray ny asany  ihany koa ny Politika ankapoben’ny fitondram-panjakana sy ny fomba fiasa eo anivon’ny governemanta izay nanamafisan’ny Filoham-pirenena ny tanjona napetrany ao anaty IEM.

Mila risi-po vaovao sy fandaminana vaovao isika, mba hisian’ny fahombiazana tsara kokoa ary hisy fiatraikany mivantana sy mivaingana any amin’ny vahoaka Malagasy ny asan’ny fitondram-panjakana hoy ny Filoha. « Tsarovy fa adidy lehibe no miandry antsika rehetra amin’ny fanavotana an’i Madagasikara ao anaty Fitiavan-tanindrazana izay filamatra mitondra ho amin’ny fandrosoana ».

 

Hisy foana ny tomban’ezaka

 

Ilaina ny fifanomezan-tanana sy ny firaisankina ary ny fikatsahana ny

fampandrosoana an’i Madagasikara mba hamiratra ka ilaina ny fifandrimbonan’ny mpikambana rehetra ato anaty governemanta !

Ny fifanaraham-piaraha-miasa izay efa nifametrahana no hitsarana anareo

mpikambana ato anatin’ny governemanta ary hisy foana ny tomban’ezaka atao

amin’ireo minisitra rehetra mpikambana ao anaty governemanta.

Atomboka ny alakamisy 30 janoary ary faranana ny zoma  31 janoary ny fifamindrampahefana eo amin’ireo minisitra teo aloha sy ireo vao niditra ary mila mandray andraikitra avy hatrany ireo minisitra rehetra mandrafitra ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Christian Ntsay.