NY FILOHAN'NY REPOBLIKA,
- Araka ny Lalam-panorenana;
- Araka ny didim-panjakana laharana fahasivy ambin'ny folo sy roa arivo tsipika efatra
ambin'ny folo aotra fito, tamin'ny sivy ambin'ny folo jolay, taona sivy ambin'ny folo sy
roa arivo, anendrena ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta;
- Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta,
DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA IZAO :
Andininy 1.-Tendrena ho mpikambana ao amin'ny Governemanta ireto olona voalaza
anarana manaraka ireto :
Minisitry ny Fiarovam-pirenena :
Général de Corps d’Armée RAKOTONIRINA Léon Jean Richard
Minisitry ny Raharaha-bahiny :
Docteur TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Liva
Mpitahiry ny Kasem-panjakàna, Minisitry ny Fitsaràna :
Andriamatoa ANDRIAMAHEFARIVO Johnny Richard
Minisitry ny Toe-karena sy ny Vola :
Andriamatoa RANDRIAMANDRATO Richard
Minisitry ny Atitany sy ny Fanapariaham-pahefàna :
Andriamatoa RAZAFIMAHEFA Tianarivelo
Minisitry ny Filaminam-bahoaka :
Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa Rodellys
Minisitry ny Fanajariana ny Tany, sy ny Asa Vaventy :
Andriamatoa ANDRIANAINARIVELO Hajo Herivelona
Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana ara-teknika sy ara-kasa
Ramatoa ANDRIAMANANA JOSOA Iarintsambatra Rijasoa
Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka:
Professeur AHMAD Ahmad
Minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana sy ny Jono :
Andriamatoa RANARIVELO Fanomezantsoa Lucien
Minisitry ny Angovo sy ny Akoran'afo :
Andriamatoa RAMAROLAHY Christian
Minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana:
Ramatoa RAKOTOVELOMANANTSOA Voahary
Minisitry ny Harena Ankibon'ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika :
Andriamatoa RAVOKATRA Fidiniavo
Minisitry ny Fitaterana, ny Fizahan-tany sy ny Famantarana ny Toetr'andro :
Andriamatoa RANDRIAMANDRANTO Joel
Minisitry ny Asa, ny Fampananan'asa, ny Asam-panjakàna ary ny Lalàna :
Ramatoa RAMAMPY Gisèle
Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa :
Professeur ASSOUMACOU Elia Béatrice
Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa-tanana :
Ramatoa RAKOTOMALALA Lantosoa
Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra :
Ramatoa RAHARINIRINA Baomiavotse Vahinala
Minisitry ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra sy ny Fampiroboroboana ny
Haitao ara-kajy mirindra :
Andriamatoa RAMAHERIJAONA Andriamanohisoa
Minisitry ny Mponina, ny Fiarovana ara-tsosialy sy ny Fampiroboroboana ny
Vehivavy :
Ramatoa NAHARIMAMY Lucien Irmah
Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena :
Andriamatoa RAHAROARILALA Tinoka Roberto Michael
Minisitry ny Fifandraisana sy ny Kolontsaina
:Ramatoa RAKOTONDRAZAFY- ANDRIATONGARIVO Lalatiana
Minisitra Lefitra misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana eo
anivon’ny Ministeran’ny FanajariananyTany, sy ny Asa Vaventy:
Andriamatoa ZASY Michaelangelo
Voatendry ho Sekreteram-panjakàna eo anivon'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, miadidy
ny Zandarimariam-pirenana:
Général de Corps d’Armée RAVALOMANANA Richard
Andininy 2.- Foana ary tsy manan-kery ireo andinindininy rehetra tany aloha mifanohitra amin'izay voalazan'ity didim-panjakana ity dia ireto manaraka ireto
- Laharana faha sivy ambinifolo sy roa arivo tsipika folo sy efajato sy arivo natao ny
fahaefatra ambiny roapolo jolay sivy ambinifolo sy roa arivo,
- Laharana faha sivy ambinifolo sy roa arivo tsipika fito amby dimapolo sy valonjato sy
arivo natao ny faha roapolo septambra sivy ambinifolo sy roa arivo
- Ary laharana faha°sivy ambinifolo sy roa arivo tsipika fito amby efapolo sy roa arivo
natao ny fahatelopolo oktobra sivy ambinifolo sy roa arivo nanendrena ireo
mpikambana ao amin'ny Governamanta.
Andininy 3.-Noho ny amehana, sy araka ireo fepetra voalazan'ny andininy fahefatra sy
fahenina, andalana faharoa amin'ny hitsivolana laharana faharoa amby enimpolo tsipika
aotra iraika amby efapolo tamin'ny sivy ambin'ny folo septambra, taona roa amby enimpolo
sy sivinjato sy arivo, mikasika ireo fepetra ankapobe momba ny lalàna ifampitondràna eto
an-toerana sy ny lalàna iraisam-pirenena ifampitondran'ny isam-batanolona, dia manan-kery
avy hatràny izao didim-panjakana izao raha vantany vao ampahafantarina ny be sy ny maro
amin' ny alalan'ny haino aman-jery, ankoatra ny famoahana azy amin'ny Gazetimpanjakan'ny
Repoblika.
Natao teto Antananarivo, ny sivy ambiny roapolo janoary roapolo sy roa arivo
29 janoary 2020
Avy amin'ny Filohan'ny Repoblika,
Andry RAJOELINA
Ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta
NTSAY Christian