Tsy hiandry ela ary tsy asiana andrasoandraso ny hanarenana ny renivohitra satria taratr'i Madagasikara i Antananarivo amin'ny maha renivohitra azy hoy ny ben'ny tanana vaovao Naina Andriantsitohaina

 

Fampandrosoana aingam-pandeha mifototra amin’ny fitsinjovana ireo tena marefo sy madinika : toa izany ny endriky ny politika entina hitantanana ny tanan’Antananarivo manomboka izao hoy ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina nandritra ny lanonana fametrahana azy tamin’ny fomba ofisialy, ny 16 janoary 2020.

Manana anjara adidy goavana tsy azo iodivirana manoloana ireo olana sedrain’ny vahoaka ihany koa ny kaominina indrindra amin’ny   fotoam-pahavaratra toy izao toy ny fiakaran’ny rano sy ny  loto mameno ny tanàna izay mampikaikaika ny mponina. Vonona hamaha ireo olana ireo ny ben’ny tanàna araka ny filazany, saingy ilaina ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay ihany koa izany mba hahafahana mandeha alavitra kokoa eo amin’izay Fampivoarana ny tanàna izay, hoy Naina Andriantsitohaina.

 

Fiovana mahery vaika

 

Fiovana mahery vaika anaraka ny rivotry ny fandrosoana entina ho an’Antananarivo ihany koa no tsy maintsy hitondrana ireo mpiasa eo anivon’ny fiadidina ny tananan’Antananarivo manomboka izao  hoy hatrany ny ben’ny tanàna. izany indrindra no nampatsihivany ireo mpiasan’ny kaominina fa havesatra ny asa hiantsorohan’izy ireo manomboka izao mba tena hipaka any amin’ny andavanandrom-piainan’ny mponin’Antananarivo ny asa ataon’izy ireo.

Nialohan’ny nametrahana ny ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny toerany, notanterahina ny maraina teo ihany koa ny famindram-pahefana teo aminy sy ny ben’ny  tanàna teo aloha Lalao Ravalomanana saingy tsy azo natrehan’ ny mpanao gazety izany.     

Setra RANDRIANASY/Sahy SYLVAIN