Tomponandraikim-panjakana ambony manodidina ny 1500 no horaisina mba hifanome tanana hitondra ny firenena amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy.
Tsy vita irery ny fampandrosoana, ary ny fiaraha-mientana no ahafahana mampandroso hoy ny filohan’ny Repoblika ombieny ombieny. Taonan’ny fanatanterahana ireo velirano ny taona 2020 ka tompon’andraikim-panjakana ambony 1500 no ho raisina. Raha ny fanazavan’ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika, Lova Hasinirina Ranoromaro,
ny 14 janoary 2020, tsy ijerena fiaviana, tsy anavahana na iza iza fa kosa itakiana fahavonana hiara hibanjina ho avy miaraka anatin’ny fanatontosana ireo velirano. Takiana amin’izy ireo ihany koa ny fananana drafitr’asa hoenti manatanteraka izany. ary manana hatramin’ny 24 janoary izao izy ireo handefasana ny momba azy ao amin’ny www.primature.gov.mg.
Kiantranoantrano sy kolikoly
Raha ny fanazavan’ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika ihany, hafahana manangona sy mahalala ireo rehetra manam-pahaizana amin’ireo sehatra maro izao fanangonana antontan-taratasy izao ka ahafahana miantso azy ireo anatin’ny fotoana haingana amin’ny ilan’ny firenena azy. Iaraha-mahalala fa maro izy ireo, no afaka mitondra izay fahaizany izay ho an’ny firenena. Marihina mantsy fa taorian’ireo asa maro tontosa nandritra izay taona voalohany izay, maro ireo Malagasy no maniry ny hitondra ny anjara-birikiny, hiara-hisalahy hampandroso ny firenena. Saingy sakana ho azy ireo indraindray ny tsy fahitana lalana sy ny kolikoly ary ny kiantranoantrano ka izay no isan’ny antony anokafana ny fisoratana anarana ho tompon’andraikim-panjakana ambony mivantana ho an’ny rehetra.
Judicaël RANDRIANIRINA