I Naina Andriantsitohaina izay natolotrin’ny vovonana IRK no ho ben’ny tanana an’Antananarivo mandririn’ny 4 taona, arakin’ny valin’ny fifidianana ben’ny tanana nambaran’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana teny Anosy ny 10 janoary 2020. Mpanolontsaina miisa 25 ihany koa no azon’ny vovonana IRK amin’ireo 55 mpikambana ao amin’ny filan-kevitrin’ny tanana.

Teto amin’ny faritra Analamanga, azon’ny vovonana IRK avokoa ny ankamaroan’ireo kaomina miisa 134 amin’ireo distrika miisa 8. Manaraka azy kosa ny TIM sy ireo tsy miankina.

 

Fifidianana 2 averina

 

 Araky ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana kosa, tsy maintsy averina ny fifidianana ben’ny tanana ao amin’ny kaomina Besorohitra, ao amin’ny distrikan’I Faratsiho, sy ny fifidianana ben’ny tanana ao amin’ny kaomina Analaroa, distrikan’Anjozorobe, nohon’ny tsy fahatombonana nisy teo amin’ny fizotrin’ny fifidianana amin’ny ankapobeny. Biraom-pifidianana am-polony teo ho eo kosa no nofoanan’ny fitsarana ny vokam-pifidianana tao aminy nohon’ny tsy fahatombonana ihany koa.

Manana 5 andro kosa ireo kandida ampiakarana ny raharaha any amin’ny filan-kevim-panjakana na Conseil d’Etat raha tsy afa-po amin’ny voka-pifidianana ny kandida. Tsy mampiato ny fitohizan’ny dingana rehetra anefa io 5 andro io.

 

Naté RAKOTOMAVO