Governoram-paritra miisa 11 amin’ny 23 no notendrena nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny 25 septambra 2019.
Ireo governoram-paritra vao notendrena ireo no hiandraikitra ny fampandrosoana isam-paritra araka ny lalàna manan-kery eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fanomanana sy fanolorana drafi-pampandrosoana isam-paritra izay hampidirina ao anatin'ny drafitry ny fampiasambolam-panjakana na ny PIP.
Araka izany, nitana ny teny nomeny ny filohampirenena Andry RAJOELINA . Nilaza mantsy ny tenany fa omena fahefana bebe koakoa ny faritra, ary tsy hisy intsony ny fampandrosoana mitanila. Nankatoavina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra omaly ny didy fanendrena ireo governora niisa 11 ireo.
Raha ny tatitry ny filankevitry ny minisitra ihany, omena 1 milliara ariary tsirairay avy hatrany izy ireo hanatanterahany ireo asa maika mifandraika amin’ny filàn’ny mponina amin’ny andavanandro ao anatin’ny 3 volana.
Marihina fa vao fanendrena governora voalohany ity natao ity fa mbola hoavy ny fanendrena manaraka izay inoana fa tsy hoela intsony.
Rojo Christelle RAKOTOMALALA
Ireo governoram-paritra
- SAVA : TOKELY Justin
- MENABE : RANDRIANTSOA Mong Wai Tune Serge Lucky
- ANOSY : HATREFINDRAZANA Jerry
- ANDROY : SOJA TSIMANDILATSE Lahimaro
- ATSIMO ANDREFANA : TOVONDRAINY Andriantsitohaina Ranëlson Edaily
- ALAOTRA MANGORO : RAMANDEHAMANANA Richard
- ANALAMANGA : RASOAMAROMAKA Herilalaniaina
- ITASY : ANDRIAMANANA Solofonirina Maherizo
- MATSIATRA AMBONY : RAZAFINDRAFITO Lova Narivelo
- ATSINANANA : MAHAFAKY Justin
- SOFIA : Lilyson René de Rolland Urbain