Masoivoho malagasy miisa efatra no voatendrin'ny filan-kevitry ny minisitra omaly hiasa any ivelany. Masoivoho izay tena hiasa ho an'ny tombotsoam-pirenena sy hisolo tena marina ny firenena Malagasy any amin'ireo firenena hiasany. Efa notsindrian'ny filohan'ny Repoblika ihany fa tsy maintsy ampiharina ny pôlitikam-pitsitsiana ho an'ireo olom-panjakana rehetra ka tafiditra ao anatin'izany ny karama sy vola hampiodinana ireo masoivoho malagasy ireo.

Efa nandrasan'ny maro ity fanendrena masoivoho malagasy hiasa any ivelany ity, hanamora ny fifandraisantsika amin'ireo firenen-kafa. Anisany singa iray tsy azo hidovirana intsony ny fanendrena masoivoho noho isika efa misokatra amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo firenen-kafa. Fanoitra amin'ny fanamafisan'orina eo amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena iny fanapahana navoakan'ny filankevitry ny minisitra omaly iny. Voatendry ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina eo anivon’ny Repoblika Frantsay na Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès de la République Française Andriamatoa RAJOHNSON Olivier Hugues Rija. Masoivohom-pirenena, misolon-tena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO ao Paris na Ambassadeur, Déléguée Permanente auprès de Madagascar auprès de l’UNESCO à Paris, France kosa Ramatoa Yvette SYLLA. Notendrena ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny Repoblikan’i Maorisy na Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès de la République de Maurice ihany koa Atoa Albert Camille VITAL. Atoa Jean Omer BERIZIKY, voatendry ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny « Royaume de Belgique » sady solon-tena maharitra ao amin’ny Vondrona Eoropeana ao Bruxelles na Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire, Représentant Permanent de la République de Madagascar auprès du Royaume de Belgique et de l'Union Européenne à Bruxelles.

Jean Claude ANDRIAMALALA