Hitondra ny laharana fahefatra i Naina ANDRIANTSITOHAINA, kandidà natolotry ny vovonana IRK ho an’Antananarivo renivohitra amin’ny fifidianana ben’ny tanàna araka ny antsapaka natao ny 23 septambra tetsy amin’ny OVEC Nanisana.

 

Toa izao manaraka izao ny vokatry ny antsapaka amin’ny laharana bileta tokana natao tetsy amin’ny OVEC Nanisana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra.

Laharana bileta tokana : Fifidianana ben’ny tanàna (27 Novambra 2019)

Nahazo ny laharana voalohany i RALAIARIMANANA Elias, kandidà mirotsaka amin’ny anarany manokana. Eo amin’ny laharana faharoa ny Antoko TIM; manaraka azy eo i Faniry Alban RAKOTOARISOA avy amin’ny Antoko APM. Ho laharana fahefatra amin’ny bileta tokana indray kosa i Naina ANDRIANTSITOHAINA avy amin’ny vovonana IRK amin’ny fifidianana ho atao ny faha 27 Novambra ho avy izao. Laharana fahadimy farany kosa no azon’ny Feno Harison, kandidà tsy miankina.   

Nosarihina nitokana tamin’ity indray mitoraka ity  ny laharan’ny mpanolotsaina kaominaly. Ka eo amin’ny laharana faha roa amin’ny bileta tokana ny IRK, nosoloin-dramatoa RAHARINIRIANA Clémence tena nandritra ny antsapaka. Ny lisitra tarihin-dRANDRIANATOANDRO Tina Laurence kosa no nahazo ny laharana voalohany, ny lisitra mpanolotsaina KOMBA no fahatelo. Laharana fahefatra ny TIM, ary fahadimy ny lisitra tarihin’i Lalatiana RAVOLOLOMANANA.

Laharana bileta tokana : Fifidianana lisitra mpanolon-tsaina (27 Novambra 2019)

Ny kandidàn’ny Antoko TIM NO hany kandidà tsy  tonga nanatrika ny fisarihana androany tetsy  amin’ny OVEC Nanisana.

Sahy SYLVAIN sy ANDONIAINA Martina

LEGENDE : Hitondra ny laharana fahefatra i Naina Andriantsitohaina ao amin’ny bileta tokana

 

 

KANDIDA BEN’NY TANANA

N 1 : Elias RALAIARIMANANA (Tsy miankina)

N 2 : Tahiry  Ny Rina RANDRIAMASINORO (TIM)

N 3 : Faniry Alban RAKOTOARISOA (APM)

N 4 : Naina ANDRIANTSITOHAINA (IRK)

N 5 : Feno HARISON (Tsy miankina)

 

 

 

LISITRA MPANOLOTSAINA

1-RANDRIANATOANDRO Tina Laurence

2-IRK

3-KOMBA

4-TIM

5-LALATIANA RAVOLOLOMANANA