Mbola tsy voafaritra mazava ny fotoana hanatanterahana ny fifidianana ben’ny tànana.
Na dia tsy mbola fantatra mazava aza ny andro hanaovana ny fifidianana ben’ny tànana, efa mandindra ny asa ahafahana mamita ny lisim-pifidianana ny eny anivon’ny fokontany, toy ny ao Antetezanafovoany. Manodidina ny 20 ireo feno 18 taona mihoatra tsy tafiditra tao anatin’ny lisi-pifidianana farany teo raha ny tatitra azo avy amin’ny fokontany Antetezanafovoany. Ny tsy fanaraha-mason’ireo mpifidy ny anarana anaty lisitra sy ny tsy fanamarinana ny fifindra-monina no hita fa nahatonga io hamaroana io, raha ny fanazavana hatrany. Hisorohana ny korontana sy ny fifanomezan-tsiny, efa mandrindra ny lisi-pifidianana sy miditra amin’ny fanentanana maro isan-karazany ny fokontany.
Mbola manana fotoana malalaka anefa ireo feno 18 taona no mihoatra tsy tafiditra anatin’ny lisi-pifidianana nampiasaina farany teo sy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, mba isorohana indray ny korontana toy ny teo aloha.