Nanamafy ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina omaly fa tsy hanova ireo fehin-kevitra voahangona nandritra ny fakan-kevitra momba ny lalàna mifehy ny serasera.
Anisan’ny fanovana nentina, ny fanovana ho ny anaran’ilay lalàna ho “loi relative à la Communication médiatisée” raha toa ka “code de la Communication médiatisée” izy teo aloha. Nasiam-panitsiana toy izany koa ohatra fampiakarana ho dimy ny isan’ny solontenan’ny orinasa fanaovan-gazety tsy miankina eo anivon’ny fahefana mpandrindra ny serasera na ny ANRCM raha toa ka telo izany teo aloha. Amin’ny ankapobeny, nampidirina tao anatin’ity volavolan-dalana ity avokoa ireo teboka notakian’ny MLE tamin’ny fotoan’androny.
Nasiam-panintsiana ihany koa ny mikasika ny rafitry ny Holafitry ny mpanao gazety. Hahaleo tena ny holafitra amin’ny andraikitra izay sahaniny fa tsy hisy intsony ny fitsabahan’ny Ministeran’ny Serasera amin’io rafitra io. Naverina jerena ihany koa ny anjara asa sy andraikitry ny OJM.
Ankoatra izay, ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no handray ny tahirin-kevitra mirakitra ny “depot legal” fa tsy ny Ministeran’ny Atitany intsony. Natolotra omaly, izany hoe 1121 andro aty aorian’ny tolona ho an’ny fahalalahana miteny ny fehin-kevitra vokatry ny fakan-kevitra natao hamolavolana lalàna vaovao hifehy ny serasera eto Madagasikara. Nilokaloka tamin’ireo mpisehatra eo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny serasera eto Madagasikara ny Ministra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo fa tsy hanova ireo fehin-kevitra rehetra niarahana nanapaka nandritry io fakan-kevitra momba ny lalàna mifehy ny serasera io.