Ho entitra amin’ny fikajiana sy fitandroana ny fandaniam-bolam-panjakana ny filoham-pirenena Andry RAJOELINA
Entitra ny Filoham-pirenena ny amin’ny fitantanana sy ny fandaniana ny volam-panjakana eny anivon’ny ministera isan-tsokajiny ka tokony hampiharina hoy izy ny atao hoe : « Mercuriale des prix dans la gestion des marchés publics ». Tsy azo ekena ary tsy maintsy iharan’ny famaizana henjana ireo rehetra mihevitra fa tokony handoa vola amin’ny tompon’andraikim-panjakana, mahatratra hatramin’ny 25% ireo orinasa manao tolo-barotra vao mahazo ny asa ampandraiketina azy ireny. Maro ihany koa rehefa nalefa ny fitsirahana ireo tsenan’asam-panjakana tsy misy akory ireo asa vita fa natao hakana volam-panjakana fotsiny ihany na ilay atao hoe « marché fictifs », ao ihany koa ireo manararaotra ka mampitombo avo 100 ka hatramin’ny 1000 heny ny vidin’entana amidy amin’ny fanjakana izay tsy azo ekena intsony mihitsy ary tsy maintsy henjehina araka ny làlana velona. Ilaina noho izany ny fanarahana akaiky ireo tolotrasa eo amin’ny tsenan’ny asam-panjakana.
Tokony hatsaraina ary harafitra tsara ny fandrindrana ny fitsinjarana ireny asa ireny ary mila apetraka ny tombam-bidy mazava izay tokony harahan’ny rehetra eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Mila apetraka ny atao hoe : “Modernisation et moralisation de la gestion des affaires publiques” ka isan’ireo entanina hametraka sy handrindra izany miaraka ny avy ao amin’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanambola, ny ARMP, ny INSTAT , ny CNM, ny Contrôle financier miaraka amin’ireo ministera sy andrim-panjakana isan-karazany ary ireo rafitra isaky ny faritra ary ireo orinasam-panjakana rehetra. Marihana fa mitombo ary hiparitaka manerana ireo misy asampanjakana sy tsenam-panjakana ny IGE na ny Inspection Générale de l’Etat mba hikajiana sy hanarahana akaiky ny fandaniam-bolam-panjakana, izany koa dia natao hiadiana any amin’ny fanararaotana sy filibana ary fandaniam-poana ny volam-panjakana.