19 ireo minisitra tafaverina ao anatin’ny governemanta. Solombavambahoakan’i Madagasikara roa hafa naverina ho mpikambana anatin’ny governemanta vaovao, ary iray no minisitra vaovao hanatevina amin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana ankapobean’ny sy ireo velirano nifanaovan’ny filoham-pirenena tamin’ny vahoaka malagasy.
Nialohan’ny nanendrena ireo mpikambana handrafitra ny governemanta faharoa amin’izao fitondrana izao, nisy ny jery todika ireo enim-bolana mahery nitantanan’ny minisitra tsirairay ny governemanta, natao nandritra ny telo andro. Raha araka ny didim-panjakana laharana faha 2019-1410, ministra 19 no mbola hanohy ny asany; minisitra 3 no hanatevina ny governemanta, ka ny roa amin’ireo no solombavambahoaka. Ny solombavambahoaka Marie Therése Volahaingo ny iray, hisahana ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana ara-teknika, ny fanofanana arak'asa.
Eo ihany koa ny Solombavambahoaka Irmah Lucien NAHARIMAMY, minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy. Ny minisitra Blanche Nirina Richard indray kosa no handray an-tanana ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Minisitra izay tsy izoviana intsony eo amin’ny tontolon’ny fampianarana. Tsy miova amin’ny sata napetraky ny filoham-pirenena ny governemanta vaovao tarihan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Governamanta voarafitra minisitra miisa 22 ary miasa amina “Contrat Programme” na ny drafitra mampifanaraka ny asan’ny ministera tsirairay amin’ny fanatanterahana ny IEM sy ny Politika ankapobean’ny fanjakana ary ireo velirano 13. Afaka enim-bolana indray ny fanaovana jery todika faharoa ho atao amin’ny asa vitan’ny ministera tsirairay.