Neken’ny filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny omaly maraina, tetsy amin’ny lapam-panjakan’Iavoloha ny fametraham-pialan’ny Praiminisitra Christian Ntsay sy ny governemanta, izay mifanaraka amin’ny voalaza ao amin’ny andininy faha efatra amby dimam-polon’ny lalàm-panorenena malagasy. Arak’io andinin-dalàna io ihany, anjaran’ny Antenimieram-pirenena no manolotra ho an’ny filoham-pirenena ireo anaran’izay ho praiminisitra lehiben’ny governemanta. Miainga avy amin’ny tolokevitr’ireo solombavambahoaka manana ny maro an’isa eo anivon’ny antenimieram-pirenena no hanendren’ny filohan’ny repoblika ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. Ny Vondrona parlemantera IRD arak’izany no hanolotra ny anarana izay heverin’izy ireo fa tokony ho apetraka ho praiministra noho izy ireo manana ny maro an’isa. Ho fampiharana ny maha-tany tan-dalàna an’i Madagasikara, nilaza ny solombavambahoaka Christine Razanamahasoa, fa ho atolotra tsy ho ela ny filohan’ny repoblika ny anarana avy amin’ny vondrona parlemantera IRD.