Fanapahan-kevitra mikasika ny fiakaran’ny vidin-entana ary koa ny fihenan-danjan’ny ariary no anisan’ny nivoaka taorian’ny filankevitry ny minisitra, ny 25 septambra 2019

 Nandray fanapahan-kevitra hentitra ny filankevitry ny Ministra mikasika ny fiakaran’ny vidin’entana izay tsy mari-pototra hita ankehitriny. Tsy azo ekena ny fanararaotana ka nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika mba hampiantsoan’ny Ministry ny varotra sy ny indostria fivoriana maika iarahana amin’ireo orinasa mpamokatra eto an-toerana sy ireo mpanafatra entana.

Raha ny voalaza, ny Ministeran’ny varotra sy ny indostria no hamoaka ny vidin’entana tombana na « prix de référence » miainga amin’ny kajy izay hatao, mifototra amin’ny  vidin’entana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ny saran’ny fanafarana sy  ny haba isan-karazanay mba hahafahana mamaritra ny vidiny tokony hampiharina eny an-tsena, ho amin’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy. Hohamafisina koa ny fanaraha-maso ny fanafarana entana sy ny fiparitahany eny amin’ny tsena, mba hialana amin’ny mety ho fakana tombom-barotra mihoa-papana hataon’ireo mpanafatra.

 

Haverina ny « tsena mora »

 

Ankoatra izay dia haverina manomboka ny herinandro ambony izao ny « tsena mora » izay fepetra vonjimaika ahafahana mitsinjo ny fianakaviana tena sahirana. Ahitana ireo entana ilaina andavanandro amin’ny vidiny tena mirary io « tsena mora » io, toy  ny menaka fihinana izay tsy hihoatra ny 3000 ariary ny litatra, ny vary izay tsy hihoatra ny 1000 ariary ny kilao, ny siramamy izay tsy hihoatra ny 2000 ariary ny kilao.

Mikasika ny fihenan-dajna ny Ariary izay anisan’ny antony mampiakatra ny vidin’entana dia efa nampiantso ny governora ny Banky foibe ihany koa ny filoham-pirenena nijerena akaiky ny anton’io fihenan-danjan’ny ariary io, ka efa nisy ny fanapahan-kevitra amin’ny stratejia hapetraka hanarenana izany sandam-bola malagasy izany ao anatin’ny fotoana fohy. 

Miarivola TSIFERANA