Ankoatra ny olana eo amin’ny enti-manana ara-bola, dia olana tsy ahafahana mampiroborobo ny orinasa malagasy ny tsy fahafahan’ireo tanora mpandraharaha mampivelatra ny tetikasany. Eo ihany koa ny tsy fanomezana laka ny fampiofanana arak’asa eto amintsika.
80 % hatramin’ny 90% amin’ireo tanora miditra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana no misedra fahasahiranana ao anatin’ny telo taona voalohany. Ny antony ara-bola mazana no tena manahirana azy ireo, fa eo indrindra ihany koa ny fahadisoana tamin’ny fananganana ny tetikasa. Ny ankamaroan’ireo tanora mpandraharaha ihany koa no misafidy ny sehatry ny varotra.
 
Noho ny tsy fisian’ny fampiofanana arak’asa no antony voalaza fa mahatonga ny fahasahiranan’ireo maniry hiditra amin’ny fandraharahana. Zara raha ny iray isan-jato amin’ny tetibolam-panjakana mantsy no natokana ho an’izay fampiofanana arak’asa izay. Noho ny fahatsapana izany olana izany sy ho fanampiana amin’ny fampiroboroboana ny Orinasa madinika sy salantsalany no nahateraka ny fiaraha-miasa teo amin’ny CPA sy ny Solidis. Natao omaly tetsy Ankorondrano ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Hiompana tanteraka amin’ny fampiofanana ireo tanora raisin’ny CPA an-tanana io fiaraha-miasa io.
Hiditra amin’ny andiany faharoa ny fiofanana amin’ny volana oktobra ho avy izao ka tanora 30 eo ho eo no hisitraka izany mandritra ny enim-bolana. Homena tombon-dahany ireo tanora manana tetikasa momba ny herinaratra, ny angovo azo havaozina ary ny fanomezana herinaratra any ambanivohitra.
 
Miarivola TSIFERANA
Anjara RAJAONARIVELO