Nihena hatramin’ny 70% ny tahan’ny fahatapahan-jiro, tao anatin’ny enim-bolana izao. Mbola maro anefa ny ezaka fanatsarana famatsiana herinaratra tokony atao.
Tanàna 19 no mbola ahitana delestazy amin’izao fotoana, raha toa ka 55 izany, enim-bolana lasa izay. Raha hiverenena, olana teo amin’ny solika ny tsy nahafahan’ny orinasa mpamatsy herinaratra nahafeno ny filan’ny mponina manerana ny nosy, izany hoe: delestazy Ekonomika. Betsaka ny lesoka tokony mbola ho harenina eo amin’ny lafiny famatsiana herinaratra eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny minisitry ny Angovo, ny rano ary ny akoranafo. Na dia eo aza izany, efa miha-miroso tsikelikely amin’ny fanatrarana ny politika ankapobean’ny fanjakana, ny fampitomboana avo roa heny ny tahan’ny herinaratra vokarina isika eto Madagasikara amin’izao fotoana, amin’ny alalan’ny fametrahana ireo tetik’asa maro: toy ny Vohibe sy Sahofika.
 
Amin’ny faran’ity volana aogositra ity no hanomboka io tetik’asa JOHARY io, tetik’asa izay natao hamatsiana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro eny amin’ny tontolo ambanivohitra ka mponina maherin’ny iray hetsy isan-taona no hisitraka izany.
 
Andoniaina MARTINA
Anjara RAJAONARIVELO