Ala an-jatony hekitara ao Ankarafantsika no ringana tanteraka ankehitriny, raha ny tatitry ny tomponandraikitra any an-toerana.
Mahatratra 135 000 ha ny velaran’ny valan-javaboahary Ankarafantsika, any amin’ny lalam-pirenena faha efatra. Voafaritry ny distrika roa ny faritra arovana, dia ny distrikan’Ambato Boeni sy ny distrikan’i Marovoay ao anatin’ny faritry Boeny. Maro karazana ny mampiavaka io faritra arovana iray io, satria ankoatra ireo karazam-biby izay tsy hita raha tsy ao Ankarafantsika, dia ao ihany koa sisa no ahitana ala matevina sy midadasika raha ao anatin’ny faritanin’i Mahajanga no resahina. Nanomboka ny taona 2017, naharay fanairana avy amin’ny mpiandraikitra ny valan-javaboahary ny lehiben’ny faritra tao Mahajanga ny amin’ny fahasimban’ny faritra arovana noho ny hafitsok’ireo mpifindra monina any an-toerana.
 
Tao anatin’ny 15 taona, niha-niditra tsikelikely taty amin’ny distrikan’Ambato Boeni ireo mpifindra monina avy amin'ny faritra hafa ivelan'ny faritr'i Boeny. Nanomboka ny taona 2017 sy ny taona 2018 no makaty anefa, nirongatra izay tsy izy ny fahatongavan’ireo mpila ravinahitra ireo. Amin’izao fotoana, fianakaviana an-jatony izy ireo no monina manodidina ny valan-javaboahary. Izy ireo tsy tsy manana na taratasy ary tsy misoratra ara-panjakana. Efa nisy ny fandraisana an-draikitra ataon’ny avy eo anivon’ny prefektiora mikasika io fifindra-monina io, mampanano sarotra ny asa araka ny nambaran’ny prefektioran’ny Mahajanaga ny fisalasalana eo amin’ny toerana misy ny valan-javaboahary anatin’ny distrika roa.
 
Eto amin’ity toerana antsoina hoe Madiromarohanaka ity no tena foiben-toerana ahitana ireo mpifindra monina. Tsy mionona fotsiny amin’ny faritra izay heverina ho ivelany valan-javaboahary anefa ireo mpifindra monina ireo fa tonga hatrany anatin’ny valan-javaboahary arovana mihitsy. Tahaka ny ao Betsirondrina, anatin’ny fokotany Andranomiditra ao anatin’ny kaomina Tsaramandroso, simba tanteraka ny ati-ala, lasa tanin-katsaka, eo ihany koa ny fatana charbon.
Sarotra ny fifehezana ireo olona tsy hiditra ao anatin’ny faritry ny ala arovana, raha ny nambaran’ny tale Jeneralin’ny Madagascar National Parks. Na dia eo aza anefa izany, miara-miasa akaiky amin’ny mpitandro filaminana ao Mahajanga ireo mpiambina ny valan-javaboahary na ny « Agents de Parc », ary eo ihany koa ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana. Dingana maro no efa nataon’izy ireo, toy ny fangatahana alalana ny amin’ny handravana ny fanorenana tsy ara-dalana sy ny voly tao anatin’ny valan-javaboahary, izay tamina velaran-tany 67ha.
 
Ankoatra ireo, miisa dimy ny tobin-drano izay efa napetraka ato anatin’ny valan-javaboahary entina iadiana ny afo raha sanatria misy izany. Eo ihany koa ny fanentana efa nataon’ireo “agents de parc” amin’ireo fokontany manodidina ny ala arovana, toy ny ao Andranomiditra.
Raha ny antontan’isa no jerena, nahitana fihenany 51% ny fiaingan’ny afo raha oharina ny tamin’ny taona 2018. Na eo aza anefa izany, misy ihany koa ny paikady natolotry ny avy eo anivon’ny zandarimaria ao Mahajanga.
 
Eo amin’ny lafiny fizahan-tany kosa dia nidina 14 % ny mpitsidika tato amin’ny valan-javaboahary raha oharina ny tamin’ny herin-taona. Tanjona iarahan’ny Madagascar National Park na ny MNP sy ny fitondram-panjakana ankehitriny ny hamerina ny Ankarafantsika ho rakotra ala indray, mba hisarihana mpizaha-tany maro, raha ny nambaran'ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra.
 
Andoniaina MARTINA