Atosika ho lasa mpandraharaha matihanina ny tanora malagasy, ka omena fiofanana mifandraika amin’izany.
Ny enim-polo isan-jaton’ny mponina malagasy dia tanora avokoa. Mbola maro amin’izy ireo anefa no miaina anaty ny fahasarotana na ara-piofanana izany na arak’asa. Raha ny tontolon’ny asa eto Madagasikara dia efa saika feno loatra raha ny tolotra no jerena. Misy amin’ireo tanora ankehitriny no miezaka mitady tetik’asa handraharahana ary hampiroborobo izany, ka hampitombo indray ny tolotr’asa eto Madagasikara. Tahaka izany ny orinasa SOANAMAD, izay miasa manodina ny fanodinana mangahazo ho lasa koba ary mampiasa tanora am-polony amin’izany. Ity orinasa ity izay niforona ny taona 2016.
Nandray anjara amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora, ny Alatsinainy 12 Aogositra teo izy ireo, ary manentana ireo tanora ihany koa hahay hikaroka ka handraharaha sy ahaleo–tena eo amin’ny tontolon’ny asa. Manana paik’ady sy politika vaovao entina hanampiana ireo tanora hiditra avy amin’ny tontolon’ny asa ihany koa ny avy eo anivon’ny ministera tompon’andraikitra indrindra eo amin’ny fampidirana aingana ireo tanora amin’ny sehatrin’ny asa. Anisan’izany ny fampiroboroana bebe kokoa ny fampiofanana ara-teknika.
 
Anisany sehatra iray manosika ny tanora sy ny vehivavy handraharaha, izay efa anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ny FIHARIANA, ary efa misandrahaka manerana ny nosy izany. Ankoatra ireo tetik’asa ireo anefa, misy amin’izao fotoana ny program’asa samihafa eny anivon’ireo departemanta ny ministera isan-tsokajiny hanampiana ireo tanora hiditra amin’ny sehatrin’ny asa.
 
Naté RAKOTOMAVO
Njara RANDRIANTSOA