Isan’ny itataovan’ny loza aterakin’ny fifohana sigara sy ny zava-mahadomelina ny toe-karena, ankoatra ny tsy fahasalamana mpitranga matetika. Maherin’ny 491 miliara ariary isan-taona ny vola lany noho izany.
Tsy avela mividy sigara sy zava-mahadomelina ireo zaza tsy ampy taona. Norarana ny dokambarotra momba azy ireny. Tsy azo atao ny mifoka ankalamanjana sy amin’ireo toerana iraisan’ny daholobe. Ary nampiakarina ny hetra alaina amin’ny sigara. Napetraka eto ireo fepetra rehetra ireo, saingy mbola hita mipololotra an-dalambe ny sigara. Ary vola 491 miliara ariary no mbola lanin’ny fanjakana amin’ny ady sy fitsaboana ireo aretina aterany. Vola tokony hahavitana asa hafa hoy ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Noho izany, niaraka tanaty atrik’asa omaly 01 aogositra 2019 ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny fandraisana sy fidorohana zava-mahadomelina. Tsy maintsy hamafisina ny fanarahana ireo fepetra napetraka hoy ny PNUD satria ny fampandrosoana mihitsy ny tataovan-doza.
 
Efa nampiharina tany amina firenen-kafa ireo fepetra ireo ary nahomby. Ary izany no andrisihana ny fampiharana azy eto madagasikara. Mahaliana ny PNUD izany satria tsy resaka fahasalamana irery intsony no voakasika. Mazana ny olona mihevitra fa olana ara-pahasalamana ihany no ateraky ny fifohana zava-mahadomelina. Fa tena misy fiantraikany lehibe amin’ny toe-karena anefa izany. Ary amin’ny maha mpanohana ny fampandrosoana anay dia zava-dehibe ho an’ny PNUD ny fanampiana ny firenena hiatrika izay loza mitatao ho an’ny toe-karena”: hoy ny tomponandraikitra.
 
Ankoatra ny famoahana antotan’isa ahafahana mitarika ny paik’ady vaovao. Hajoro amin’ny taona ho avy ny ivon-toerana manokana, handraisana ireo mpifoka sy mpandray zava-mahadomelina hanalana azy ireo amin’izany. Mponina midoroka, mponina marary mira mponina tsy mamokatra, manimba toe-karena ka ny fanampiana ay ireo no tokony atao filamatra.
 
Judicaël RANDRIANIRINA 
Njara RANDRIANTSOA