Tantsaha maherin’ny 5000 ao amin’ny faritra Amoron’i Mania Sy Matsiatra Ambony ary Ihorombe no hiroso amin’ny famokarana matihanina sy mitodika amin’ny tsena anatiny.
Vondron’ny tantsaha rejionaly miisa 10 no nisitra ny famatsiam-bola valo hetsy dolara avy amin’ny fandaharan’asam-panjakana DEFIS. Famatsiam-bola izay ho tsinjaraina amina faritra telo, dia ny faritra Amoron’I Mania, Matsiatra Ambony ary Ihorombe. Raha ny antontan’isa, tanim-bary mitotaly 7000 ha sy tanim-boly katsaka 2000 ha no hisitraka famokarana matihanina vokatr’izao fanohanana izao. Sahan-tsekoly vary miisa 160 sy sahan-tsekoly katsaka miisa 80 ihany koa no ho apetraka amin’ireo faritra ireo. Tafiditra anatin’izao fanohanana izao ihany koa ny fampitaovana ireo tantsaha hiatrehana ny taom-pambolena lehibe araka ny nambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny fandraharan’asam-panjakana DEFIS.
 
Ho atosika amin’ny sehatry ny fandraharahana ireo tantsaha araka ny nambaran’ny filoham-pirenena ny herinandro lasa teo nandritra ny fanokafana ny “Fier Mada”. Ho an’ny avy ao Ihorombe, efa azo antoka fa hivoatra ny asa fiarihan’ireo tantsaha noho izao fanohanan’ny programan’asam-panjakana izao, hiakatra tsinona ny taham-bokatra.
Tamin’ny zoma lasa teo moa no vita ny fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ireo vondron’ny tantsaha sy ny fandraharan’asa Defis. Hisy ny fanaraha-maso isam-bolana fanantanterahana ny asa.
 
Sahy SYLVAIN 
Setra RANDRIANASY