Mbola mampitarazoka ny fanantanterahina ny politikam-pampandrosoana eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny volam-panjakana na efa maro aza ny loharanom-bola eto amintsika. Azo atao tsara anefa ny manainga ny asa fampandrosoana amin’ny alalan’ny fampiarana politika matotra momba ny hetra amin’ny alalan’ny fanamafisana ny politikam-pitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany eto amin’ny firenena.
Antony iray mbola mampikatso ny fandrosoana eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny loharanom-bola entina miroso amin’izany. Ho famahana izay olana ara-bola izay, efa nisy ny fanampahana tamin’ny alalan’ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana, milaza ny fampiakarana ho 14% ny tahan’ny fandoavan-ketra eto Madagasikara, nataon’ny fanjakana. Ilàna politika matotra anefa ny fanatrarana izany.
Ny fanamafisana ny politikam-pitradrahana ny harena an-kibon’ny tany dia hafahana miroso avy hatrany amin’ny fampandrosoana ny firenena, io no vokatry ny fikarohan’ireo mpikaroka mpampianatra momba ny toe-karena Malagasy. Noraketina an-tsoratra izany vokam-pikarohana izany ka ny Alakamisy lasa teo no namohahana izany tamin’ny fomba ofisialy.
 
Lovatiana RANDRIANIRINA 
Njara RANDRIANTSOA