Namakivaky indray ny araben’Antananarivo 123 taona taorian’ny nandaozany ny Nosy ity mariky ny fiandrianam-pirenena ity ary ankaravoana no nitsenan’ny mponina azy. Santatra ambava rano ihany izao.
Tafaverina ao amin’ny Lapan’i Manjakamiadana ity satroboninahitra ity ankehitriny ary hitoetra ho harem-bakom-pirenena, ho lovain’ny taranaka sy fanilo miampita ho an’ny fitiavan-tanindrazana.