Ny tapany avaratra no hanombohana azy. Fotodrafitr'asa maro no ho atao eto toa ny "jardin des amoureux", ny "skate-park", ny fanaovana fanatanjahantena an-kalamanjana, sy ny ampahany voalohany amin'ny toerana hipetrahan'ireo mpivarotra voanio izay ho anaovana trano manokana. Toamasina tsara endrika, mahatamana, manintona mpizaha tany sy mpiala sasata no fanamby napetraka sy ho tratrarintsika.