EDITO

Lehilahy iray nosamborin'ny zandary teny Ambohimangakely.

Lehilahy roa sy vehivavy iray nidoboka any Antanimora.

Voatazona eny amin’ny birao mahaleo-tena miady amin’ny kolikoly eny Ambohibao nanomboka androany maraina Atoa Mbola RAJAONAH, mpanolotsaina manokan’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina fony izy teo amin’ny fitondrana ary mpanohana an’Andriamatoa Marc RAVALOMANANA amin’izao fotoana.

Teratany karana telo amin'izao sahady no nisy naka an-keriny teto amintsika tamin'ity volana novambra ity. Voasambotr'andian'olon-tsy fantatra tokoa mantsy omaly tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany hariva teny Androhibe, raha hihazo ny trano fonenany ny filoha tale jeneralin'ny tranombarotra Conforama- Akoor, Nassir Sivijee. Nampiaka-peo mafy manoloana ity trangana fakana an-keriny hafa indray koa ity ny vondron'ireo teratany karana mizaka ny zom-pirenena frantsay eto Madagasikara (CFOIM - Collectif des Français d'Origine Indienne de Madagascar).