EDITO

Teratany karana telo amin'izao sahady no nisy naka an-keriny teto amintsika tamin'ity volana novambra ity. Voasambotr'andian'olon-tsy fantatra tokoa mantsy omaly tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany hariva teny Androhibe, raha hihazo ny trano fonenany ny filoha tale jeneralin'ny tranombarotra Conforama- Akoor, Nassir Sivijee. Nampiaka-peo mafy manoloana ity trangana fakana an-keriny hafa indray koa ity ny vondron'ireo teratany karana mizaka ny zom-pirenena frantsay eto Madagasikara (CFOIM - Collectif des Français d'Origine Indienne de Madagascar).

Miantso fivoriana maika mba handinihina ny vahaolana mivaingana hisorohana ny resaka kidnapping atao amina tera-tany karana mizaka ny zom-pirenena frantsay eto Madagasikara ny vondrona misy azy ireo araka ny fampitam-baovao voaray taorian'ity tranga omaly tetsy androhibe ity. Mety hisy parlemantera frantsay handalo eto Madagasikara amin'ny herinandro ambony io handray anjara amin'izany fivoriana izany. Manaitra mafy azy ireo mantsy ny tranga tahaka izao satria, raha tsy mbola votsotra akory ilay teratany karana iray lehiben'ny orinasa Makiplast dia izao efa misy trangana "kidnapping" hafa izao sahady indray. Raha hiverenana ny tranga nisy teny Androhibe omaly dia hita fa efa tena tsara omana sy azo lazaina fa matihanina amina asa ratsy tahaka izao no nanao ny fakàna an-keriny.