Manomboka aty amin’ny ambaratonga fototra dia efa omena azy ireo ny fanabezana sy ny fitaovana ilainy, ary indrindra ny tontolo mivoatra hatrany mba hampisokatra ny sainy. Arovantsika ihany koa ireo zanatsika ireo mba tsy ho simban’ny herisetra ka ho tonga mpianatra mahay miaro ny vatany sy mitsinjo ny hoaviny.
 
 
Mankasitraka manokana an-dRamatoa vadiko, Mialy RAJOELINA sy ny Fikambanana FITIA ary ny UNICEF manao ny ezaka rehetra hiarovana ny Zanaka Malagasy.