Tsy ho lany andro, reraka mivezivezy na hatahotra hiditra biraom-panjakana intsony ny mponina rehefa hikarakara taratasy satria ny Ivotoro dia hampahafantatra mialoha ireo antanatohatra arahina, ny taratasy ilaina sy ny sarany marina amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana.
Ny tsy fahalalana no mitondra mankany amin’ny kolikoly, koa napetraka ny Ivotoro mba hisian’ny mangarahara sy hanatrarana ny velirano fahatelo dia ny famongorana ny kolikoly.
Misokatra ho an’ny rehetra ny Ivotoro, manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva, ny alatsinainy hatramin’ny zoma.