Hiova endrika ny kianjan’i Mahamasina satria ho lasa kianja hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena, tsy ho mena-mitaha amin’ny any ivelany.

 

 Araka ny efa nampahafantarin’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina sy ho fanatanterahina ny tetik’asa efa nampanantenainy, havaozina ka anjary endrika ahitana taratra ny maha-malagasy no ho hita afaka heritaona amin’ny kianjaben’i Mahamasina izay ho antsoina hoe “Kianja BAREA”.

Haharitra 18 volana ny fanamboarana ary ny fitondram-panjakana malagasy no miantoka manontolo ny fanavaozana.

Mitentina manodidina ny 77 tapitrisa dolara ny fanamboarana rehetra ary orinasa sinoa antsoina hoe “ China States Construction Overseas Development”, izay orinasa matihanina amin’ny fanamboarana fotodrafitr’asa goavana no mandray an-tanana manontolo ny fanamboarana sy ny fanazaoavana ny kianja, izay tsy maintsy hankatoavin’ny FIFA. Nanomboka ny alatsinainy 6 janoary 2020  ny asa fanamboarana, dia ny dingana voalohany izay aharitra 6 volana. Ho fanomanana ihany koa ny faha 60 taonan’ny nahazon’i Madagasikara ny fahaleovan-tena, arakin’ny nambaran’ny komity telo tonta mandray an-tanana ny fanamboarana: ny fitondram-panjakana foibe, ny kaomina Antananarivo renivohitra ary ny orinasa manatanteraka ny asa. 

 

Handray mpijery 40 880

 

Raha ny fanazavana nomen’ny mpanolotsaina manokan’ny Filoham-pirenena Gérard Andriamanohisoa, afaka handray mpijery 40 880 ny kianja : 15 536 toerana eny amin’ny “tribunes” izay harodana ary havaozina tanteraka.
 9 704 no ho isan’ireo toerana vaovao fanampiny eny amin’ny “gradins”, manampy ireo 15 640 izay efa misy eo an- toerana amin’izao fotoana izao.
Hisy seza fipetrahana tsirairay na ny “gradins” na ny “tribunes”, ary hisy laharana avokoa hanamorana ny fandaminana sy ny fanaraha-maso ny tsirairay manomboka amin’ny fividianana tapakila, ny fandaminana ny toerana hidirana sy hivoahana ary ny fanaraha-maso ny mpijery rehetra raha sendra misy mitady hihoa-pefy.

 

Vavahady 6 lehibe


Mba  hisorohana ny fifanosehana dia hisy vavahady 6 lehibe miditra ao amin’ny kianja, 28 ny ho isan’ny tohatra fidirana sy fivoahana eny amin’ny “gradins” sy “tribunes”, ary malalaka sy voajary ny ivelany manodidina ny kianja.

Hisaraka tanteraka ny toeran’ny mpijery sy ny kianja ka tsy hisy olona tafidina eny amin’ny kianja ankoatry ny mpilalao.

Ho fanamafisana ny fiarovana dia hofenoina” caméras de surveillance” ao anatiny sy manodidina ny kianja. Raha ny kianja filalaovana indray, "Pelouse hybride" manaja ny fenitry ny FIFA no hapetraka ao Mahamasina. Efa misy fomba fanondrahana sy fikajiana ranon’orana anatiny izy io, manamora ny fitazonana ny bozaka tsy ho be rano na ho maina loatra.
Ankoatry ny kianja dia hohajariana ireo birao sy toeram-panomanana isan-tsokajiny (locaux techniques) toy ny birao, efitra ho an’ny Federasiona, toeram-piomanana (vestiaires), toeram-pakana aina sy fanomanana ara-batana ho an’ireo mpilalao (salles de repos, de musculation, de récupération, kianja fanomanana ivelany) ary ny toerana voatokana ho an’ny mpanao gazety (salle de presse).

 

Efitrano fandraisam-bahiny

 

Hisy ny fampitaovana amin’ny fanamafisam-peo ivelany sy anatiny sy solaitrabe elektronika roa. Hiparitaka manodidina ny kianja manaraka ny fizarazaran’ny toerana (lots) ny toeram-pivoahana, arahan’ireo takelam-pamantarana isan-karazany (panneaux de signalisation).

Hisy efitrano fandraisam-bahiny ihany koa ambanin’ny “tribunes”, toy ny any amin’ny kianja iraisam- pirenena lehibe hafa any ivelany. Hifefy vy mangarahara hahafahana mahatazana ny ao anatiny ny kianja ary ho voaravaka jiro manodidina. Ankoatry ny maha kianjam-panatanjahan-tena azy dia ho lasa toerana miavaka handravaka sy hahafantarana an’Antananarivo ny kianjan’i Mahamasina izay ho antsoina hoe “Kianja BAREA”.

Naté RAKOTOMAVO