Tsara toerana amin'ny fiakarana amin'ny CAN taona 2022 hatrany ny Barean'i Madagasikara ao amin'ny vondrona K misy azy raha ny voka-dalao 1 noho 1 taorian’ny nifandonany tamin’ireo Ivoariana. Mijanona ho laharana faharoa, manatombo isa iray amin’ny laharana fahatelo, ary mananaisa 7 mitovy amin’ny Côte d’Ivoire izay mitarika vonjy maika.
Fandresena miisa roa, ady sahala iray ary faharesena iray. Ireo no manome isa fito ho an'ny Barea ao amin'ny vondrona K amin'ny fifanintsanana isam-bondrona ho an'ny dingan'ny CAN. Hatreto, mijanona ho faharoa ny ekipam-pirenen'i Madagasikara, mitarika ny Côte d'ivoire manana isa fito. Eo amin'ny laharana fahatelo, ny ekipam-pirenen'i Ethiopie, manana isa enina. Ary farany ao amin'ny vondrona K i Niger, tsy nahazo afa tsy fandresena tokana. Arak'izany, raha ireto filaharam-bondrona ireto, efa any Cameroun ny ilatongotry ny Barean'i Madagasikara. Lalao miisa roa no ho hatrehina sisa. Ny lalao miverina amin'ny Ethiopie, izay hatao any amin'ny taniny ny 22 Martsa 2021. Ny lalao miverina eo amin'ny Barea sy i Niger, ho atao eto amintsika ny 30 Martsa 2021 raha tsy misy ny fiovana amin'ny fandaharam-potoan'ny CAF. Fandresena tokana amin'ireo ekipa roa ireo no afahantsika manamafy ny fahazoanany tapak'ila amin'ny CAN raha ny sarintsary. Saingy raha mandresy indroa i Ethiopie, lasa izy no voalohany,hanana isa 12, ary raha mitovy isa amin'ny Côte d'ivoire, mijanona aoriany isika noho ny Barea efa resiny tamin'ny lalao mivantana. Arak'izany, fandresena amin'ny lalao ifandonana amin'ny Ethiopie no azohana antoka tsara indrindra amin'ny fiatrehana fanindroany ny CAN.
Mandresyan’i Ethiopie
Raha tsiahivina ireo lalao mandroso, resintsika tamin'ny isa iray no aotra tao amin'ny kianjaben'ny Mahamasina i Ethiopie ny 16 novambra 2019. Nomontsanin' i Barea tamin'ny isa mavesatra 6 no 2 kosa i Niger tao amin'ny taniny tamin'ny andro faharoa. Raha ry zareo Ethipiana kosa, efa resin'i Niger in-dray, ary nandresyan’i Niger sy Côte d'ivoire tao amin'ny taniny. Mbola manana efabolana ny ekipa roa tonta anomanana. Raha ny Barea hita tao Toamasina, tsy hijanona amin’ny fandresena tokana, fa hanenjika ny isam-bondrona 13 hiakarana amin’ny CAN taona 2022 no tanjona.
SAHY Sylvain