Ho avy ny orinasa mamokatra sakafo be otrikaina
Tafiditra ao amin’ny lamina sy ny tetikasa mati-paika hoentina hametrahana vahaolana maharitra any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ny Filohampirenena mba hanaisotra tanteraka ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny haintany any Atsimo indrindra ireo mianjady amin’ny zaza madinika.
Nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 09 septambra ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fitondrana Malagasy sy ny Nutriset izay miara-dalana amin’ny Fondation Mérieux, hanokatra orinasa fanodinana sakafo be otrikaina ho an’ny zaza sy ny reny ary indrindra ireo iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo.Tetikasa azo refesina sy misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny mponina no hoentina sy hotanterahana any Atsimo araka ny efa nolazaina hatrany am-boalohany. Afaka herinandro vitsy dia ho tonga eto Madagasikara ny milina rehetra fanodinana izay entin’ireto mpandraharaha sy mpiray antoka amin’ny fitondram-panjakana ireto ! Toy izao ny taratasy nataon’Atoa.Filoham-pirenena hoan’ny mpikambana rehetra ao anatin’ny Governemanta :