Noraisin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny 7 Septambra ireo ray aman-dreny ara-drazana, ampanjaka ary Solombavambahoaka avy ao amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany.

 

  Ny fampijoroana ny Faritra Vatovavy no nifampidihin’ny Filoham-pirenena sy ireo olona avy amin’iny faritra atsimo-andrefan’ny nosy iny. Ny fampijoroana ny Faritra faha-23 eto Madagasikara moa izay nangatahan’ny mponina any an-toerana ary nampanantenain’ny kandidà Andry Rajoelina tamin’ny fotoanan’ny Fampielezan-kevitra.

Nanomboka tamin’ny taon-dasa ary naharitra amam-bolana maro no efa nandeha ny dinika sy fanadihadiana mikasika ny fampijoroana io faritra faha-23 io. Nisy ny fakan-kevitra natao tamin’ireo sokajin’olona maro manerana ireo distrika 6 ao anatin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, nanomboka tamin’ireo vahoaka ka hatramin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany samihafa ary ireo ray aman-dreny ara-drazana sy ampanjaka.

Ankehitriny, nantsoin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitrosorohitra ireto ray aman-dreny ara-drazana, ampanjaka sy Solombavambahoaka avy any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ireto mba ahafahana mandray ny fanapahan-kevitra amin’ny famaritana sy fampijoroana ny faritra Vatovavy Fitovinany ho roa ka mba ba ho tena fandaminana iarahan’ny rehetra manaiky  no hipetraka.

 

Efa vonona ireo tetikasa

 

Tamin’ity fihaonana ity, samy naneho ny heviny ireo ray aman-dreny ara-drazana, ampanjaka ary Solombavambahoaka ary nitondra ny hetahetan’ireo vahoaka any ifotony.

Nohamafisin’ny Filohan’ny Repoblika fa tsy hisy ho diso anjara amin’ny fampandrosoana intsony ny Distrika rehetra manerana an’I Madagasikara. Efa vonona ireo tetikasa samihafa entina hampandrosoana ireo Distrika rehetra ka isan’ny hisitraka izany ny ao Vatovavy.

Ho an’ny Distrikan’Ikongo manokana ohatra, efa maro ireo fotodrafitr’asa hapetraka ao. Efa tamin’ny andron’ny repoblika voalohany avokoa mantsy ny fotodrafitr’asa misy ao. Hisy ny hopitaly manara-penitra izay hapetraka ao Ikongo, hisy koa ny “gymnase” hahazaka olona 1000, ny sekoly manara-penitra sy ny tetikasa hafa maro. Ankoatra izay, efa vonona ihany koa ireo engine ho an’ny Faritra rehetra ka ao anatin’izany ny an’I Vatovavy sy Fitovinany mba hanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa samihafa toy ny fanamboaran-dalana.

 

Distrika 3 avy sa 4 sy 2 ?

 

Anisan’ny hipetrahan’ny ady hevitra amin’izao fotoana izao ihany koa ny fizarana ireo distrika amin’ireo faritra roa. Ny hironan’ny maro an’isa dia ny fampiarahana ireo distrika 3 mifanakaiky ho Fartra iray. Ohatra ny faritra Vatovavy : Mananjary, Nosy Varika ary Ifanadiana. Ary Manakara, Vohipeno ary Ikongo ho ao amin’ny Faritra Fitovinany. Misy kosa anefa ireo mihevitra fa tokony hiaraka amin’I Vatovavy I Ikongo na dia lavitra an’I Mananjary aza ka lasa distrika 4 izany ny ao Vatovavy ary distrika 2 ny ao Fitovinany.

Nambaran’ny Filoham-pirenena fa efa vonona ny tetibola ho an’I Vatovavy rehefa tafajoro ity Faritra faha-23 eto Madagasikara ity.

Nankasitraka ny Filohan’ny Repoblika ireo ray aman-dreny ara-drazana, ampanjaka sy Solombavambahoaka ireo ary naneho ny fahavononan’izy ireo hanampy amin’ny  fampijoroana ny faritra faha-23. 

 

 

 

 

 

 

 

Raha tsiahivina, nanomboka tamin’ny vanim-potoanan’ny Fanjanahan-tany h@ Repoblika fahatelo dia tao Mananjary hatrany ny renivohitry ny Prefektiora. Rehefa nijoro anefa ny Faritra Vatovavy Fitovinany dia lasa I Manakara no Renivohitry ny Faritra. Nanahirana ny vahoaka avy any Mananjary ny manao raharaha sy taratasim-panjakana samihafa satria voatery tsy maintsy makany Manakara izy ireo. Izay no anisan’ny nangatahan’izy ireo  ny hampijoroana ny Faritra Vatovavy.