Noho ny fiparitahan’ny valan’aretina sy nohon’ny fitombon’ny tahan’ny olona mitondra ny otrikaretina, dia nohamafisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 8 jolay 2020 ny fepetra rehetra handraisana ireo marary sy hametrahana ny lamina ho enti-miatrika ny ady amin’ny fihanahan’ny valan’aretina

Hapetraka manomboka ny zoma izao ny Centre de traitement Covid-19 ka etsy Ivato ao amin’ny CCO no hanaovana izany indrindra ho an’ireo marary sy mitondra ny otrikaretina Covid-19 izay mihamitombo eto Analamanga. 200 farafahakeliny ny marary horaisina amin’ny toerana iray, izay ahitana mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana miisa 25 ka hatramin’ny 55 isaky ny toerana fandraisana ireo marary. Ireo toerana ireo dia atao handraisana ireo marary manana soritr’aretina efa mihamiombo nefa tsy afaka ny hanao fihibohana any an-tokantranony noho ny antony maro isan-karazany. Noho ny fahavitsian’ny manampahaizana miandraikitra ny fandraisana ny valan’aretina dia noezahana ny hampivondrona azy ireo amin’ny toerana iray mba hahafahana mandray an-tanana ara-dàlana tsara ireo marary rehetra.

 

Toerana atokana ho an’ireo « cas grave »

 

Ho fiatrehana ny fandraisana an-tanana ireo manana « cas grave », dia eny amin’ny Hopitaly Anosiala no hanombohana ny fandraisana azy ireo ary hisy ihany koa toerana hafa voatokana sy fandriana any anatin’ireo Centres de traitement handraisana sy hitsaboana azy ireo araka ny tokony ho izy. Ireo izay tsy manana ny soritr’aretina kosa dia entanina hatrany hihiboka any an-tranony ary handray ny fanafody sy hanaraka ny torohevitry ny mpitsabo amin’ny fampiharana ireo drafi-pitsaboana omen’ny mpitsabo.

Hapetraka ny lamina manokana handraisana ireo marary eny anivon’ny CSB ka hisy ny fanomezana ireo marary ny fanafody sy ny CVO ary omena fitsaboana avy hatrany ireo izay mitondra ny soritr’aretina mba hisorohana ny «forme grave». 09 Jolay 2020 dia hisy ny Filankevitry ny Minisitra izay iarahana amin’ny holafitry ny mpitsabo sy ny holafitry ny mpivarotra fanafody .