Nohamafisin’ny Filoham-pirenena nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny 27 May 2020 fa ny « essai clinique » izay hotanterahana eto Antananarivo sy any Toamasina, dia protocole faha-3 izay entina hanamafisana ny ady atao amin’ity valan’aretina ity. Karazam-panafody 2 no hoentina amin’izany izay mbola tanana ho tsiambaratelo ny anarany araka ny nifanarahana tamin’ny OMS ka iarahan’ny siantifika Malagasy misalahy amin’ny OMS
, sy clinique fanta-daza any ivelany sy ireo manam-pahaizana siantifika avy any Etazonia, Azia ary ny Nosy Maorisy. Tsisy ifandraisany amin’ny vakisiny izay vokarina any ivelany mihitsy ity andrana eny anivon’ny tobim-pitsaboana ity, fa vokatry ny fikarohana sy fiaraha-miasan’ny siantifika malagasy sy ireo siantifika avy amin’ireo firenena voalaza ireo, ary natao hanamafisana ny fitsaboana sy ireo protocole efa napetraka hatrizay teto amintsika indrindra ho an’ireo olona izay taizan’aretina izay misedra ity aretina ity.
Tsy misy fiara afaka mivezivezy
Nohamafisiny nandritra ity filan-kevitry ny minisitra ity koa ny fepetra rehetra mikasika ny fifehezana ny fihanaky ny aretina covid-19, ka nanamarihany manokana ny tokony hitandremana sy handraisan’ny tsirairay avy sy ny tompon’andraikitra isan-tokony, indrindra ny fanamafisana ny fanaraha-maso sy fanatanterahana ireo fepetra sy ny fanapahan-kevitra rehetra noraisina manodidina ity fifehezana ity valan’aretina ity. Nohamafisiny tamin’izany fa tsy azon’ny fiara mitondra olona mivezivezy mihitsy ny any amin’ny faritra Atsinanana, ankoatra ny fiara mitondra entana ary tsy tokony hisy ny fanomezan-dalana manokana omena. Mila arahana akaiky ny fanatanterahana ireo fepetra sy lamina rehetra napetraka eo anivon’ny faritra, ny Hopitaly ary ny ao amin’ny talem-paritra misahana ny fahasalamana any amin’ny faritra Atsinanana.