Nandray fepetra manokana ny filankevitry ny minisitra
Manoloana ny fihanaky ny valan’aretina coronavirus ato amin’ny faritra Atsinanana dia nisy
ny Filankevitry ny Minisitra manokana natao tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra, ny alahady 24 May 2020.
nandraisana ny fepetra rehetra entina hifehezana ny valan’aretina.
Misokatra ny fanadihadiana
Manoloana ny fahafatesan’ilay mpitsabo iray tany Toamasina tao amin’ny Hopitaly Manarapenitra, dia maneho ny fiaraha-miory ny fitondram-panjakana ary manokatra fanadihadiana manokana ny antony marina tena nahafaty azy tao amin’ny Hopitaly Manarapenitra androany maraina.
Mankahery ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra miatrika izao ady atao amin’ity valanar’etina ity izao
Ireo fepetra vaovao
1- Hisy ekipa manokana (Brigade spéciale) hanampy ireo mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana alefa manokana avy aty Antananarivo.
2- Hisy laboratoire manokana hapetraka ao Toamasina hanafainganana ny fanaovana fitsirihana ao Toamasina
3- Ampitomboina ny fitsirihana faobe any Toamasina hatao mifanaraka amin’ny tracing contact mbola hotanterahana
4- Hamafisina ny fampitaovana toy ny ambulances 04, gels hydroalcooliques, EPI, tambavy CVO mba hanana amby ampy mihoatra ny filàn’ny hopitaly mandray marary momba ny COVID 19 ny Hopitaly Manarapenitra any an-toerana.
5- Ampitomboina ny toerana ahafahana mandray ireo olona rehetra marary sy mitondra ny otrik’aretina any Toamasina ary arahana akaiky ny fivoaran’ny toe-pahasalaman’izy
ireo.
6- Arahana akaiky ny fampiharana ireo fepetra rehetra napetraka manoloana ny ady atao amin’ity valan’aretina ity.
7- Apetraka ny ekipa manokana (équipes dédiées) hanao ny fitsaboana manokana amin’ny CVO sy hanao ny fitiliana tsy maintsy atao aorian’ny fitsaboana, ahafahana manara-maso ny fahasitranan’ny marary.
8- Atao ny fanadiovana sy fanaovana désinfection ny toerana rehetra ao Toamasina.