Araky ny taratasin’ny Filoham-pirenena nomena ny Governemanta tao anatin’ny

Filankevitry ny Minisitra manokana ny 17 martsa 2020, ho fiarovana ny firenena Malagasy manoloana ny fihanaky ny valan’aretina COVID 19 dia noraisina nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ireto fampiharana manaraka ireto :

 

  • Nomena alalana manokana ny ao amin’ny Minisiteran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola hividy mivantana any amin’ny mpamokatra azy ireo fitaovana ilaina fa tsy mandalo tolo-barotra atao amin’ny fanjakana intsony izany noho ny hamehana sy ny mahamaika ny fanafarana ireo fitaovana hiarovana sy hisorohana ny fihavian’ny valan’aretina

 

  • Ampitomboina ireo entana efa nafaran’ny Minisiteran’ny fahasalamana miaraka

amin’ny OMS ka ampitomboina noho izany ny teti-bola natokana hisorohana sy hamehezana ity Coronavirus ity

 

  • Tsy maintsy atao fitsirihana avokoa ireo mpandeha fiaramanidina avy any ivelan’i

Madagasikara rehetra tonga teto nanomboka ny alarobia lasa teo ary mbola ho avy eto hatramin’ny alakamisy 19 martsa ho avy izao.

 

  • Hisy ireo fandraisana fepetra ara-panjakana eo amin’ny sehatra maro indrindra

amin’ny fampiharana ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisina nanomboka tamin’ny

fiandohan’ny fiarovana ny tany sy ny firenena

 

  • Misy hotely miisa 17 efa nivonona ny hanome ny efitrano fandraisam-bahin’izy

ireo hametrahana ireo olona voatery tsy maintsy hatao « mise en quarantaine » ka ny

fitondram-panjakana miaraka amin’ny OMS no handray an-tanana izany. Nanome ny toeram-pandraisany etsy Vontovorona ihany koa ny ao amin’ny CNAPS ahafahana mandray ireo olona mila atoka-monina indrindra ireo avy any amin’ny faritra ka tsy afaka mamonjy ny toerapodian’izy ireo raha tsy vita ny 14 andro hitazonana azy ireo.

 

  • Tsy azo vangiana, tsy afaka mifanerasera aman’olona ireo olona fehezina anatin’ny toerana voatokana ary mahavoasazy ny fandikana izany fanapahana izany.

 

  • Hisy ny fidinan’ny mpitandro ny filaminana any amin’ny toerana voatondro

hijanonan’ireo olona natao fitokana-monina ka hampiharina avy hatrany ny làlana raha misy ny fandikana ataon’ireo voakasik’izany,

 

  • Harahi-maso ireo fanafody rehetra entina mitsabo ireo endrika rehetra mety

hisehoan’ny soratr’aretina ety ivelany indrindra ny paracétamol mba tsy hisy ny hanitrika izany na hampiakatra ny vidiny,

 

  • Hidina manomboka rahampitso eny amin’ny tsena ny avy ao amin’ny

Minisiteran’ny indostria sy ny varotra ka ireo mampiakatra ny vidin’entana dia hosaziana ary horaisin’ny fanjakana avy hatrany ny entana hamidy araka ny vidiny tokony ho izy tsy misy fanararaotana ho an’ny mpanjifa. Tsy tokony hihoatra ny 1800 ar ny kilaon’ny vary eny amin’ny mpanjifa ary harahi-maso akaiky ny vidin’entana rehetra eny an-tsena ary horaisina ny fepetra hentitra ho an’ireo izay manararaotra mampiakatra ny vidin’entana ilaina andavanandro.

Harahi-maso tahaka izany ihany koa ny entana any amin’ireo mpamongady sy

mpanafatr’entana.

 

  • Nanao fifanarahana teo anivon’ny Minisiteran’ny varotra ireo toeram-pivarotana

lehibe miaraka amin’ny vondron’ny mpandraharaha SIM sy GEM fa hanjifa ny vokatra sy ny vita malagasy ary hitsinjo ny mpanjifa amin’ny fampiharana ny vidin’entana

 

  • Harahina manokana ny fivarotana ny vary vokatra eto an-toerana ka hasiana

fanaraha-maso akaiky ny fanerena ataon’ireo mpampisam-bola ny tantsaha mba hialana amin’ny fanararaotana fampiakarana ny voka-bary

 

  • Ampy mandritra ny enim-bolana ny tahirin-tsakafo ilaina andavanandro eto amintsika ary tsy misy fisakanana ny fanafaran’entana amin’ny alalan’ny sambo na ny fiaramanidina cargo

 

  • Hatsaraina sy hampitomboina manomboka rahampitso ny fandraisana ny antso

an-tariby eo amin’ny laharana 910, ka hosaziana avy hatrany ireo izay manao vazivazy sy manopa na misompatra ny fampiasana ny ligne

 

  • Nanome tanana ny fitondram-panjakana ny avy amin’ny « faculté de médecine »

rehetra manerana ny Nosy sy ireo siantifika isan-tsokajiny ary mpianatra mpisabo eo andalam- pahavitan’ny fianarana ary vonona izy ireo ny hanohana amin’ny alalan’ny hevitra sy ny fanomezan-tanana hisorohana ity valan’aretina ity tsy hiditra eto Madagasikara.

Ireo no maneho hatrany ny fahavononan’ny fitondram-panjakana amin’izay tranga

rehetra na fisorohana na fitsaboana na ny fandrindrana ny sehatry ny famatsiana ara-tsakafo sy ara-pitaovana eto Madagasikara.