Araka ny efa nohamafisiny tany Toliara ny faran’ny herinandro teo, tsy hihemotra amin’ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana ny fitondrana dia noporofoin’ny filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA avy hatrany tany Tolagnaro izany ny 09 martsa. NItsidika ny toerana hananganana ny orinasa hamokatra fanampiana ara-tsakafo iarahana amin’ny NUTRISET ny filoham-pirenena.
Anatin’ny laharam-pahamehana hampandrosoana ny tanana ihany koa ny hametrahana ny kianja manara-penitra ary indrindra ny hanamboarana ny lalam-pirenena faha13. Io andro io ihany koa dia notokanana ny balise solaire ao amin’ny seranam-piaramanidin’I Taolanaro.
“balises solaires”
Voazavan’ireto “balise solaire” vaovao ireto ny piste eto amin’ny seranam-piaramanidina eto Tolaganaro manomboka izao. Midika fa afaka mandray sidina alina ary misokatra ho amin’ny sidina iraisam-pirenena. Tsy vitan’ny hoe maharaka nyfenitra iraisam-pirenena fotsiny anefa ireto jiro ireto fa tena voalohany aty amin’ny ranomasimbe Indiana.
Izay ho lohany eto amin’ny ranomasimbe indiana izay ihany koa no isan’ny fanamby apetraky ny filohan’ny repoblika Andry RAJOELINA. “Balise” fahaenina napetraka eto Madagasikara ny eto , fa voalohany mandeha amin’ny angovo azo avaozina. Ary hanatsara ny tontolo ara-toekarenan’ny faritra.
4 milliara sy 800 tapitrisa ariary ny tetin’ny fanajariana ny seranam-piramanidin’i Taolanaro izay ankoatr’ireo “balise” dia teo ihany koa ireo asa hafa toa ny famefena ny faritra.
Teto Taolanaro hatrany dia nisarika sy nanentana ny rehetra mba hifantoka amin’ny asa ho amin’ny fampandrosoana ny filoham-pirenena.
“Aleo handroso ny asa”
“Aoka izay ny sembantsembana sy ny sompantsompatra fa aleo handroso ny asa”, hoy ny hafany. Asa toa ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 13 izay efa nifampiresahana tamin’ny vondorna eoropeana ny hamatsiam-bola azy sy ny hametrahana ny kianja manara-penitra toa ny any Toamasina.
Nitsidika avy hatrany ny toerana hananganana ny orinasa hamokatra fanampin-tsakafo handresena ny tsy fahampina-tsakafo any Atsimo ny filohan’ny Repoblika sy Ramatoa vadiny. Nanolotra ireo kamio sy daba fandraofam-pako ho an’ny tanana ary jiro mandeha amin’ny masoandro ho an’ny mponina ihany koa ny filoham-pirenena mivady, fiara tsy matahodalana ho an’ny prefektiora ary siterna fitahirizan-drano sy fitaovana hanamboaran-dalana eto an-tanan.a Tsy hadinon’izy ireo ny nijery sy nihaino mivantana ny hetahetan’ireo mponina ka nitsidihana ny tsenam-pokonolona.
Judicaël RANDRIANIRINA