Fikambanam-behivavy avy amin'ny sehatra maro manerana ny lafivalon'ny Nosy no tonga nankalaza ny andron'ny 08 martsa tao Toliara. "Izaho sy Ianao, isika rehetra miombon’andraikitra hisitrahan’ny vehivavy ny zony » no lohahevitra nosafidiana nankalazana izany tamin'ity taona ity. Fotoana izay nanomezan-dRamatoa Mialy Rajoelina voninahitra sy haja ny vehivavy mpiray tanindrazana aminy tsy an-kanavaka.
"Anton’izao fotoan-dehibe hatrehantsika izao ny hampiray ny fontsika, ny hanambatra ny feontsika mba haneho fa vonona hifandray tanana isika, vonona hiara-hientana ho an'ny ho avy tsaratsara kokoa ho an’ny firenentsika", hoy ny vadin'ny Filoham-pirenena Mialy Rajoelina. Nitodika manokana tamin'ireo vehivavy 8 mpikambana ao amin'ny governemanta ihany koa ny tenany. Nankahery azy ireo amin'ny andraikitra lehibe sahanin'izy ireo. "Miandrandra anareo ny vehivavy malagasy, mitodika any aminareo ny mason’izy ireo. Eo am-pela-tananareo ny fahefana manova zavatra, manova ny toe-tsaina ary hanatsara ny fomba fijery maro samy hafa. Andraikitra lehibe tokoa izany, ary mila fikirizana sy finoana tsy azo hozongozonina. Matoky ny finiavanareo izahay. Matoky fa afaka manao mihoatra ianareo", hoy hatrany Ramatoa Mialy Rajoelina. Nasiany tsindrim-peo manokana ihany koa ireo dingana efa vita amin'ny ady amin'ny herisetra sy ny fanamafisana hatrany ny fanampiana an’ireo izay mbola miaina ao anaty toe-javatra sarotra. Ho an'ireo vehivavy misehatra ao anaty ny fandraharahana kosa dia niantso ireo tompon'andraikitra ny tenany mba hanokatra ny lalana ho an'ireo vehivavy ary ihany koa, mba hanampy sy hanaraka ny dingana ho atrehan’izy ireo.
Nanome voninahitra ny vehivavy mpiray tanindrazana aminy ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina nandritra izao fankalazana izao. Naveriny hatrany ny fanohanany ireo vehivavy amin'ny fanatanterahana ny tetikasan'izy ireo ary ny andraikitra lehibe hananan'izy ireo amin'ny fampandrosoana ny firenena.