Handefa fanampiana any amin’ireo distrika 6 hianjadian’ny haintany sy ny tsy fahampian-tsakafo ny fitondram-panjakana araka ny tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny 19 janoary 2020.
Distrika miisa 6 any atsimon’ny nosy no iharan’ny tsy fahampian-drano sy tsy fahampian-tsakafo. Zaza amam-behivavy maro any Amboasary Atsimo, Ambovombe, Bekily, Betioky, Ampanihy ary Tsihombe no voa mafy amin’izao tranga izao araka ny fampitam-baovao.
Hametraka toby manokana isaky ny distrika tena ahitana ny trangana Kere any Atsimo ny fanjakana, ahafahana mametraka vahaolana maharitra, hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo nitarazoka nandritra ny taona maro tany amin’iny faritra iny. Nampiantso fivoriana maika ho an’ireo minisitra voakasiky ny fananganana ireo toby ireo ny filohampirenena androany 20 janoary hanafainganana ny fananganana izany amin’ny volan’ny fanjakana madiodio aty am-piandohana. Tsy maintsy tafatsangana ao anatin’ny efa-bolana ireo toby ireo araka ny baikon’ny filohampirenena hatrany. Tsy hiandry ny fahavitan’ireo toby ireo anefa ny hetsika ataon’ny fitondrana fa hisy avy hatrany ny fandefasana “camions-citernes”, hamatsy rano maimaim-poana ireo mponina any atsimo.
Torak’izany ihany koa ny famatsiana sakafo sy fanafody ho an’ireo reny sy zaza manodidina ny 5 arivo sy 3 alina. Hidina hijery akaiky sy hankahery ireo malagasy hianjadian’ny tsy fahampian’ny rano sy ny tsy fanjarian-tsakafo ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ireo minisitra voakasiky ny fananganana ireo toby apetraka hanavotana ireo mponina Kere amin’ny faran’ny herinandro. Hiara-dia amin’izy ireo ireo mpamatsy vola sy ireo fikambanana iraisam-pirenena maro.