Efa miditra amin’ny fananganana ny “tribune” vaovao ny asa ao amin’ny kianjan’ i Mahamasina ankehitriny, izay ho kianja BAREA. Kianja, maoderina, manara-penitra no sady azo antoka ho an’ireo mpijery no aorina. Ohatra amin’izany  ny fanamafisana ireo andry sy fototra iorenan’ireo toeran’ny mpijery izay hilentika any amin’ny 30 metatra, raha ny fanazavana nadritra ny fitsidihana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina teny an-toerana ny 17 febroary 2020.

Hisy ihany koa ireo faritra sy zava-baovao tsy  mbola hita teto hatrizay, apetraka ho fanatsarana ny kianja, toa ireo toeram-pivarotana sy toerana fitobian’ny fiara izay hnadrakotra ny ambanin’ny fitoeran’ny mpijery fantatry ny maro amin’ny anarana hoe “sous-gradin”. Hanara-penitra ihany koa ny toerana fialan-tsasatra sy fidiovana na vestiaire..

  

Ao anatin’izany rehetra izany, amin’ny maha kianja BAREA ny kianja aorina eto midika fa sehatry ny baolina kitra. Dia ho toa ireo fahita any ivelany amin’izay ny toetry ny kianja filalaovana satria bozaka voafantina izay hisy fikojakojana manokana no ho eo.

 

 Mialohan’ny hankalazan ny faha 60 taonan’ny fiverenan’ny fahaleovantena no ahavitan’ny tapany voalohany ny asa dia ny eo amin’ny fipetrahana afovoany. Ny amin’ireo fipetrahan’ny mpijery amin’ny sisiny kosa izay mbola ho ampiakarina asiana rihana dia ny volana jona 2021 no ahavitan’ny asa tanteraka.

 

 Raha tsiahivina, nanana ny tantarany efa hatramin’ny andron’ny faha-mpanjaka I Mahamasina, izay zary kianja filalaovana nanoratra ny tantaran’ny baolina kitra Malagasy taty aoriana. Saingy isan’ny tantara nampalahelo nitranga teto ireo ain’olona maro nafoy toy ireo 37 maty noho ny fifanosehana ny tamin’ny volana septambra 2018, na ihany koa ireo maty taorian’ny fankalazana ny 26 jiona 2019. Hisorohana ny toa ireny, hiarovana ny ain’ny mponina, tsy maintsy atao hanara-penitra i Mahamasina, hoy ny Filoha.