Jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 28 no napetraka eny amin’ny tohatohabaton’Ambondrona sy Antaninarenina ary ny manodidina ireo toerana ireo entina hanazavana ny eny an-toerana. Fahazavana ho an’ny rehetra na an-tokantrano na eny an-dalam-be, veliranon’ny Filoham-pirenena izany. Manjaka rahateo tsy fandriampahalemana nohon’ny tsy fisian’ny jiro teny an-toerana indrindra eny amin’ny elakelantrano.
Nanambara ary ny Filohan’ny Repoblikan’I Madagasikara fa ankoatr’ireto jiro manazava ireto dia asiana mpitandro ny filaminana 24 ora amin’ny 24 ora isan’andro amin’ny tohatohabato hisorohana ny tsy fandriampahalemana.
Hanazava ireo mponina fa indrindra ihany koa hiaro azy ireo amin’izay tsy fandriampahalemana no anton’izao, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay tonga nijery ny fotodrafitr’asa niaraka tamin’ny vadiny Mialy Rajoelina sy ny ben’ny tanana, Naina Andriantsitohaina mivady, ary niara-nandeha an-tongotra niaraka tamin’ireo mponina izy ireo.
Voalohany teo amin’ny tantaran’Antananarivo no nisy jiro tahaka izao ny tohatohabato.
Niova endrika Antaninarenina sy Ambondrona manomboka izao. Mazava ny tanana. Savaranandro ihany izao eny amin’ny tohatohabaton’Ambondrona sy Antaninarenina izao fa ho asiana jiro avokoa ny tanana, hoy ny Filohan’ny Repoblika malagasy.
Naté RAKOTOMAVO