Fifampiharahabana nahatratra ny taona vaovao sy firarian-tsoa ho an’ny filoha Andry Rajoelina mivady no antondian’ireo mpikambana eo anivon’ny FFKM tarihin’ny filohany ny tolakandron’ny 9 janoary 2020 teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra.

Naharitra ora iray mahery ny fihaonana. Ankoatran’ny fifampiharahabana ho an’ny nahatratrarana ny taona 2020, nivoitra ihany koa ny mahakasika ny fampandrosoana ny firenena, raha ny nambaran’ny Filohan’ny FFKM sady filohan’ny fiangonana FJKM, Irako Ammi Andriamahazosoa

Vonona ny hifanome tanana amin’ny Filoham-pirenena arak’izany ireo mpitondra fiangonana mivondrona ao anatin’ny FFKM ho an’ny fampandrosoana ny firenena.

Naté RAKOTOMAVO