Miteraka olana amin'ny fitsaboana ireo zaza tsy tonga volana tsaboina ao @ Hopitaly miaramila Soavinandriana ny tsy fahampian'ny "couveuse". Hitan'ny Filohan'nyRepoblika, AndryRajoelina mivady izany t@ fitsidihan'izy ireo io toeram-pitsaboana io ny 24 desambra lasa teo. Antony nanosika ny Filoha mivady hanolotra "couveuse" miisa roa ho an'ny sampana miandraikitra ny zaza ao amin’ny Cenhosoa.
Raha ny fantatra, zaza roa amin'ny telo ihany no tafiditra anatin'ny couveuse eto amin’ny « Centre hospitalier de Soavinandriana » na Cenhosoa. Zava-misy hitan'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy Ramatoa Mialy Rajoelina vadiny tamin’ny fandalovan'izy ireo teto izany tamin’ny krismasy lasa teo. Antony nahatonga azy ireo nanolotra ireto « couveuse » roa ireto ho an'ny sampana miandraikitra ny fitsaboana ny ankizy na service de pédiatrie et de néonatologie eto amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana.
Tsy vitan'ny manampy amin’ny fitomboan'ny zaza tsy tonga volana sy manampy azy amin’ny fanatrarany ny lanja tokony ho izy ireto fitaovana vaovao ireto, hoy ny lehiben'ny Hopitaly, ny Jeneraly Rakotofanomezantsoa fa ahafahana ihany koa mamelona aina ireo zaza menaveva miaina fahasarotana ara-pahasalamana.
Araka ny antontan'isa dia zaza 140 amin’ny 1000 teraka eto amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana no tsy maintsy ampidirina couveuse isan-taona. Amin’ny ankapobeny dia herinandro hatramin’ny 1 volana na telo volana mihitsy aza no tazomina ao anaty couveuse ny zaza iray arakaraky ny fivoaran'ny fitombony sy ny toe-pahasalamany, araka ny fanazavan'ny mpitsabo. Hanampy amin’ny famahana io olana io araka izany ireto fitaovana vaovao avy amin’ny Filohan'ny Repoblika mivady ireto. Fitaovana izay natolotry ny Vadin'ny Filoham-pirenena, Filohan'ny Fikambanana Fitia ny tolakandron’ny 8 janoary 2020.
Miarivola TSIFERANA